Hita faty tao anaty kirihitra : lehilahy tsy nisy voamaso sy hodi-tava

Niendaka avokoa ny hodi-tavany, tsy nisy voamaso intsony ary trobaka ny tendan’ny lehilahy iray hita faty tao anaty kirihitra, tao Fianarantsoa, omaly. Novonoina izy, araka ny fanadihadiana.

Raim-pianakaviana nila ravinkazo no nahita fatin’olona efa simba tanteraka tao anaty lobolobo, ao amin’ny fokontany Bete­ravola, Fianarantsoa, omaly. Niondrikondrika naka ravinkazo vao maraina tao amin’ny faritry ny fasam-bahiny io lehilahy io, kinanjo nahita olona efa mitsirara. Tsy nisy aina intsony io lehilahy hitany io. Niantso ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ireo mponina manodidina ilay nanatri-maso. Nozahana ny vatana mangatsiaka tao anatin’ny kirihitra. Tsy nisy voamaso intsony io olona io. Niongotra efa tsy teo amin’ny tavany intsony koa ny hodiny ary nahitana trobaka teo amin’ny faritry ny tendany. Nizaha ny razana ny mpitsabo miasa ao an-toerana. Ahina ho nisy namono tao anatin’ny 48 ora io lehilahy io. Nariana taorian’ny nahafatesany.

Naterina amin’ny tranom-paty
Tsy nisy nahafantatra ny mombamomba io lehilahy hita faty io ny fokonolona manodidina. Nentin’ny tomponandraikitra nihazo ny tranom-paty ao amin’ny hopitaly Tambohobe, araka izany, ny razana. An­drasana anatin’ny andro vitsy ny fahatongavan’izay fianakaviany ka alevin’ny BMH raha toa ka tsy misy maka. Manokatra ny fanadihadiana momba ity vono olona ity ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Hatramin’izao, tsy mbola fantatra mazava ny antony namonoana sy ny tompon’antoka tamin’ity tranga ity.

Tsiferana R.

Partager sur: