“Ny volavolan-kevitra naroson’ny Ceni eny anivon’ny governemanta ny amin’ny andro hanaovana ny fifidianana kaominaly dia ny 6 novambra. Miainga avy amin’izay, misy ireo tetiandro mifamatotra amin’ny asa takin’ny fanomanana sy fikarakarana an’izay fifidianana izay”. Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, afakomaly, momba ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly. Amin’izao, efa ao anatin’ny fandaminana ankapobeny an’izay fifidianana izay ny eo anivon’ny Ceni, na ho raikitra na tsia amin’ny 6 novambra izany. Ny didim-panjakana havoakan’ny filankevitry ny governemanta no manamafy an’izay andro hanatanterahana ny fifidianana nofaritran’ny Ceni hoe 6 novambra izay.
Raha amin’ny 6 novambra ny fifidianana, mamaritra ny lalàna fa farafahakeliny 90 andro alohan’io no tsy maintsy mivoaka ny didim-panjakana manaika ny olom-pirenena hanatanteraka ny adidiny handatsa-bato amin’io 6 novambra io. Raha voatana ny hanatanterahana ny fifidianana, raha tratra aoriana indrindra: amin’ny 6 aogositra no tokony hivoaka ny didim-panjakana momba azy. Tsy didim-panjakana fihaikana mpifidy ihany no tokony hivoaka amin’izany, fa ireo didim-panjakana milaza ny pitsompitsony rehetra takin’ny fikarakarana izany fifidianana izany: ny antontan-taratasy tokony hofenoin’ny kandidà, ny anto-bola enti-miatrika izany, ny famerana ny fari-pifidianana…
R. Nd.