Tsy manda ny fiaraha-miasa amin’ny ankolafin-kery hafa ny antokon’ny fitondrana na ny TGV. Tsy mijanona amin’ny politika samy irery izany fa amin’ny fampandrosoana ankapobeny koa.
“Ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra”, hoy ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, teny Ambohidahy, afakomaly, ny amin’ny fijoroan’ny vondrona parlemantera tsy miankina hoe hanohana ny fitondrana. Ny mpanohitra ao amin’ny vondrona Firaisankina aza miantso hoe vonona hiara-miasa amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Izay no tena ilaina. Tsy hoe andao hiara-miasa hanao politika, fa andao hiara-miasa hanao politika fampandrosoana. Isaorana ary raisina an-tanan-droa izy ireo. Zava-dehibe izay fiaraha-miasa izay. Tsy vitan’ny olona irery i Madagasikara, mila olona tia tanindrazana koa. Inona ny ho fampandrosoana hisy any amin’ny distrika misy an’ireo depiote tsy miankina, raha tsy miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana izy na hanohitra ny fitondram-panjakana?
Na izany aza, manana ny maro anisa ny vovonana Irmar, izay nahazo toerana 84. Izy no manolotra ny anarana amin’izay hanendren’ny filohan’ny Repoblika izay ho Praiminisitra. Misy ny fahamarinan-toerana politika eto amin’ny firenena amin’izay fanohanana ny filoha Rajoelina izay. Ilaina hatrany ny fiaraha-miasa, fa tsy hifandanja ny hery: ny depiote Firaisankina 22 ve hifandanja amin’ny Irmar 84? Mbola misy an’ireo depiote 45 aza. Na izany aza, ilaina ny fanakianana sy izay mety ho soso-kevitra avy amin-dry zareo. “Ny antsika mandroso hatrany miaraka amin’ny filoha Rajoelina”, hoy izy. Izay ilay hoe Madagasikara tsy maintsy mandroso. Izay no tanjona, tsy anavahana ny olona rehetra.
R. Nd.