FANTINA sy FINTINA

Namoaka ny lisitr’ireo antontan-taratasy ilaina handraisana ny anto-bola narotsaka tamin’ny fifidianana depiote ny eo anivon’ny Tahirimbolam-panjakana. Natao ho an’ireo kandidà nahazo ny isam-bato maherin’ny 10% tamin’ny voka-pifidianana ny fahazoana izany. Anisan’ny antontan-taratasy ilaina ny fanamarinana ny fandrotsahana izany.
Noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny (MAE), Rasata Rafaravavitafika, ny filohan’ny Komitin’ny fahitsiana( CSI), Rabenarivo Sahondra, afakomaly, tetsy Anosy. Nampahafantatra ireo hevi-dehiben’ny fivoriana, fanatanterahana ny fifanarahan’ny ONU momba ny ady amin’ny kolikoly, CNUCC tany Vienne ny filohan’ny CSI tamin’izany.
Nanao jery todika ny asa niarahana ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, sy ny solontenan’ny Unicef, i Ernest Rwamuycyo, omaly, tetsy Anosy. Niaraha-nidinika koa ny vina hatao na ho an’ny minisiteran’ny Fitsarana na ny eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina, sahanin’ny ny minisitra vonjimaika, amin’izao fotoana izao.
“Ankino amin’ny Jehovah ny asanao dia ho lavorary izay kasainao”. Izany no teny fanentanana ni­tondrana am-bavaka ny nahavoafidy ho depiote an’ Andriamosa Avotraina, ny 4 jolay teo, teny amin’ny FLM Ebenezara Sabotsy Namehana. Teo koa ny vavaka hiatrehany ny asa amin’ny maha olom-boafidy ho an’ny 5 taona ho avy.

Partager sur: