Fanondranana biby arovana: Sinoa ny roa naiditra am-ponja

Voasambotry ny mpitandro filaminana tao Toliara ny teratany sinoa tompon’antoka amin’ny famantsiam-bola ireo mpangalatra antsokosoko ny biby arovana ao amin’ny faritra Atsimo. Malagasy telo niara-notazomina am-ponja aminy.

Sinoa roa sy Malagasy telo niara-naiditra vonjimaika any am-ponja taorian’ny fisamborana azy ireo, ny faran’ny herinandro teo. Taorian’ny firongatry ny halatra sy fahatrarana karazam-biby arovana toy ny sokotra, niara-nisalahy ny mpitandro filaminana sy ny tambajotra miady amin’ny fanondranana antsokosoko ny biby sy ny zavamaniry arovana. Tratra ny atidoha mpamatsy vola amin’ny fangalarana ireo harem-pirenena ireo. Nikasa hanao kolikoly mitentina 200 tapitrisa Ar tamin’ny mpitandro filaminana ireo tompon’antoka. Teratany sinoa roa niampy Malagasy telo voasaringotra amin’ity raharaha ity.

Olona 14 efa nigadra
Araka ny fanazavan’ny Tonia mpampanoa lalàna ao an-toerana, nisy fito ny tranga fanondranana sokatra tratra, nanomboka ny volana janoary teo hatramin’ity jolay ity. Olona 14 efa nigadra ka teratany frantsay ny iray. Voa­saringotra amin’ny raharaha hafa koa ireo olona ireo ka mbola voaantso hiakatra eo anivon’ny Pac ihany koa. Notsiahivin’ny tomponandraikitra ny lalàna mifehy ny fanondranana. Miara-miasa, araka izany, ny rehetra ao anatin’ny fikambanana miady amin’ny fanondranana antsokosoko ny biby sy ny zavamaniry arovana mba hisian’ny vokatra azo tsapain-tanana hamongorana ireo tambajotra mampanao fangalarana sy fanodranana sokatra sy biby ary zavamaniry arovana.

CMS

Partager sur: