Namono mpiasan’ny kaominina : voasambotra ilay mpiambina nahavanon-doza

Niampy iray indray ny voasambotra, afakomaly, momba ny vono olona nahafatesana mpiasan’ny kaominina iray tao Antsirabe. Nisy namono ta­min’ny fomba niharo habibiana io renim-pianakaviana mpiasan’ny kaominina io, ny volana oktobra 2023 teo. Nitsoaka taty an-dRenivohitra avokoa ireo nahavanon-doza. Nanao fikarohana ny mpitandro filaminana ka ramatoa iray voasambotra ny 4 janoary 2024 teo. Atidoha nikotrika ny famonoana io mpiasan’ny kaominina io ity ramatoa tratra ity. Nitohy ny hazalambo. Nifampitadiavana ny mpiray tsikombakomba tamin’io tompon’antoka io. Lehilahy iray mpiambina anisan’ny nandray anjara nokarohina. Naharay loharanom-baovao ny zandariamaria miasa ao Antsirabe sy ny avy ao Talatamaty fa miriaria aty an-dRenivohitra ilay lehilahy naman’io vehivavy efa voasambotra io. Nitohy ny hazalambo. Nanao ny vela-pandrika rehetra ny mpitandro filaminana. Noraisim-potsiny tao Ambanidia, boriborintany faharoa io lehilahy io. Ha­tolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana azy izy.

­­Tsiferana R.

Partager sur: