Antenimierampirenena : hitarika ny fivoriana ny depiote Gascar Fenosoa sy i Modeste

Hitarika ny fivoriana voalohany sady manokana, ny talata ho avy izao, eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, ireo depiote mirahalahy, avy amin’ny tsy miankina.

Eo ny solombavambahoaka voafidy ao amin’ ny distikan’i Mandoto, Rakotorahalahy Modeste, sy ny depiote voafidy tao Antana­narivo III, i Mandrindrarivony Ogascar Fenosoa. Izy ireo no zokiolona sy zandriolona indrindra amin’ireo depiote miisa 163 voafidy handrafitra ny eny anivon’ny Antenimi­e­rampirenena, raha tsy misy ny fiovana.

Anisan’ny asa sy andraikitra hosahanin’izy ireo mandritra ny fotoana vitsy amin’izao fivoriana manokana izao ny fandrindrana sy ny fandaminana ny fifidianana ny ho filohan’ ny Antenimierampirenana.

Fepetra firotsahan-kofidina ho filoha

Hampahatsiahy ireo fepetra samihafa momba ny fila­tsahan-kofidina ho amin’izany toerana izany izy ireo. “Ha­petraka ao amin’ny sekretaria eo anivon’ny Antenimieram­pirenena, ora iray mialoha ny hirosoana amin’ny fifidianana ny firotsahan-kofidina ho filoha”, araka ny fitsipika anatin’ ny Antenimierampirenena. Ferana ho 10 mn ny fahare­tan’ny fandraisam-pitenenana ho an’ireo manao ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ny ho filohan’ity andrimpanjakana ity. Miroso amin’ny fifidianana avy eo ary mandaha-teny avy hatrany ny filoha voafidy eo. Mamonjy ny toerany aorian’izay ireo depiote zokiolona sy zandriolona, nitarika ny fivoriana.
Hirosoana manaraka in­dray avy eo ny fifidianana ireo handrafitra ny birao maharitra. Na izany aza, mbola miankina amin’ireo depiote eo ihany ny ho fizotran’izany rehetra izany.

Synèse R.

Partager sur: