Nanao tombana ny efa vita amin’ny hetsika fizarana kopia faobe sy karapanondrom-pirenena ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany. Nambaran’ny minisitra tamin’izany fa zo fototra ny fisitrahana izany.
“Efa mahatratra any amin’ny iray tapitrisa ny olona nahazo karapanondro amin’izao fotoana izao manerana ny Nosy noho ny hetsika goavana ataon’ny fitondram-panjakana”, hoy ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, i Tokely Justin, tamin’ny fidinana ifotony nijereny ny hetsika fanomezana kopia sy karapanondro ary ny fijerena ny fitantanana ny lafintany tany amin’ny kaominina Nanantonana, Betafo, ny faran’ny herinandro teo.
Ilaina ny fananana karapanondrom-pirenena hahazoana ireo olona misoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Ao anatin’ny fotoana fanavaozana tanteraka izany isika izao. Very zo izy ireo raha tsy manana karapanondro. Antony iray goavana anaovana ny hetsika izay. Nisaorany ireo tompon’andraikitra avy amin’ny minisitera samihafa fa misy ny ezaka ary azo tsapain-tanàna ny vokatra. Tsy misy atao zanak’Ikalahafa ny vahoaka manerana an’i Madagasikara. Samy mahazo ny anjarany amin’ny fanaovana fampandrosoana ny vahoaka, na ambanivohitra na an-drenivohitra.
Very zo sy voailika…
Ny fiarovana ny zo fototra ho an’ny mpiray tanindrazana manerana ny Nosy no imasoan’ny fanjakana. Maro ireo feno 18 taona no ho miakatra no very zo sy voailika eo
amin’ny fiarahamonina ary mitovy amin’ny tsy misy eo anatrehan’ny fanjakana noho ny tsy fananany kopian’ny sora-pahaterahana sy karapanondrom-pirenena. Nahatonga ny fanjakana nametraka tetibola sy nanao ny hetsika goavana amin’ny fanomezana izany.
Tsiahivina fa telo tapitrisa no vina amin’ny fanomezana karapanondro amin’izao hetsika izao.
R. Nd.