Ao anatina fikambanan-jiolahy : voaheloka hiasa an-terivozona 10 taona i Alain sy Laro

Fanafihana mitam-piadiana, fikambanan-jiolahy no vesatra iampangana ireto tovolahy roa mpiambina mpamongady iray ao Toamasina. Nampangain’ny « bar à pince » sy lelavola 7 tapitrisa Ar tany aminy ry zalahy ireto…

Araka ny antontan-taratasin’ady laharana faha-149-Toa/23-3404-RP/21, notsaraina teo anivon’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava, ny zoma lasa teo, ity raharaha ity. Telo mianadahy voampanga amin’izany ka vehivavy mbola tsy ampy taona ny iray, izay miandry ny fotoam-pitsarana manaraka ka natrehina mpitsara miandraikitra ny ankizy tsy ampy taona, mialoha ny fitsarana azy roa lahy. Taorian’ny fifandaharana teo anoloan’ny mpitsara, nangataka ny hampiharana sazy henjana ho an’ireo voampanga ny fampanoavana, izay nanitrikitrika fa mirongatra ny fandrobana sy fanendahana ary vaky trano ao Toamasina. Nilatsaka ny didy ho azy roa lahy ka voaheloka asa an-terivozona 10 taona an-tranomaizina i Laro Kira Berthos sy Alain Berson.

Nofandrihan’ireo jiolahy ny mpiambina…
Nitrangana vaky trano tao amina mangazay iray ao Mangarivotra ka lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny entana lafo vidy niaraka tamin’ny vola 7 tapitrisa Ar, ny 21 novambra 2021. Tsy nahalala ny fisian’io tranga io ny mpiambina ao amina orinasam-piambenana tsy miankina iray. Nametrahan’ireo jiolahy bar à pince teo amin’ireo mpiambina niaraka tamin’ny vola 7 tapitrisa Ar. Nilaza ry zalahy fa hoe hiverina haka izany. Nanaiky nandray izany tokoa i Laro Kira Berthos. Tonga tampoka anefa ny mpanara-maso ny fiambenana rehefa nahazo fitarainana tamin’ny tompon-trano mo­mba ny fahavakisan’ny mangazay. Nandritra ny fisafoana nataon’ireo mpiandraikitra izany no nahitana vola sy bar à pince tany amin’ilay mpiambina.

Sajo

Partager sur: