Niharan’ny daroka nataon’ny fokonolona ireo efa-dahy mpamaky trano tao Tanambao Verrerie sy Mangarano, kaominina Toamasina, izay voasambotry ny fokonolona, ny sabotsy 6 jolay teo. Zatra manao io asa ratsiny io, nandrasan’ny mponina kendry tohina ireo jiolahy ireo ka nifanenjehan’izy ireo. Vokany, tratra avokoa izy efa-dahy izay monina tsy lavitra ny fokontany. Nidaroka vokatry ny hatezerany ny fokonolona. Naharay antso ny zandariamaria miasa ao amin’ny Renivohitra Toamasina. Nidina ifotony ny mpitandro filaminana ao Tsarakofafa ka nentina nihazo ny toeram-pitsaboana ny jiolahy izay tena voa mafy. Nentina natao famotorana teny anivon’ny birao, tokantrano miisa dimy efa novakian’izy efa-dahy ireo. Angalariny hatramin’ny menaka sy savony miampy ny entana sarobidy rehetra hitany ao an-trano. Mitohy ny fikarohana ny naman’ireo efa voasambotra ireo, araka ny fanazavan’ny zandarimaria miasa ao an-toerana.
Tsiferana R.