Naiditra am-ponja avokoa ireo efa-dahy nisandoka anaran’olona ambony mpikambana ao amin’ny Governemanta izay voasambotra ny volana mey teo. Nampiasa kaonty sandoka amin’ny tambajotran-tserasera ireo mpisoloky ireo. Nangalany vola ireo lasibatra. Nitonona ho mahatafiditra ho mpiasam-panjakana rahateo izy ireo ka nanao mora ny fanambakany. Nanao fikarohana ny polisy misahana ny fikarohana heloka bevava. Naharay loharanom-baovao mari-pototra ka sarona ireo tompon’antoka tamin’ny fanaovana io fisolokiana io. Niaiky heloka ireo voasaringotra ka notanana am-ponja. Anisan’ ny voasambotra koa ny atidoha nisandoka ny anaran’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka tamin’ny alalan’ny kaonty tsy tena izy. Ankoatra ireo, roa lahy hafa koa voasambotry ny zandary teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato nanao asa fisolokiana sy faneriterena mpandeha eny amin’ny faritry ny fiantsoan’ny fiara, omaly.
Tsiferana R.