Nijoalajoala indray ny afo teny Faliarivo Ambanidia, omaly tolakandro. Kila hotohoton’ny afo ny trano fivarotana saribao iray…
Trano fivarotana saribao ity kila hotohoton’ny afo ity. Hatairana ny an’ireo mponina teo amin’ny manodidina raha nahita ny afo niainga avy ao amin’ity trano fivarotana saribao sy kitay ity. « Tsy nampoizinay mihitsy ny firehetana fa ny afo efa nijoalajoala no nahataitra anay teto am-pivarotana », hoy ny fanazavan’ilay mpivarotra saribao. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ireo niharam-boina tamin’ny famonjena ireo entana azo navoaka. Nisy ihany ireo tafavoaka saingy noho ny fitsokan’ny rivotra, levona tao anaty afo ny ankamaroan’ny entana rehetra. Niitatra tamin’ny tokantrano iray vita amin’ny hazo tsy lavitra ity toeram-pivarotana ity ny afo.
Saika niampita tany amin’ny Epp…
Haingana ny firehetana ka levon’ny afo tanteraka ny trano. Efa saika niitatra tamin’ny sekoly EPP iray eny an-toerana ny afo raha tsy nalaky voafehy noho ny fiaraha-mientan’ny mponina tamin’ny famonoana ny afo mialoha ny nahatongavan’ny mpamonjy voina. Fotoana fohy taorian’izay, tonga teny an-toerana ny fiaraben’ny mpamonjy voina nanao ny asa famonjena sy namono ny afo. Raha ny tatitra nampitain’ny teo anivon’ny sampana mpamonjy voina, ahina ho fipoahana herinaratra no nahatonga ny loza, saingy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana ihany no mamaritra ny marina rehetra momba izany. Voafehin’ny mpamonjy voina tao anatin’ny fotoana fohy ihany anefa ny afo. Na teo aza anefa izany, tsy nisy kosa ny aina nafoy na naratra nandritra ny firehetana.
J.C