Niara-maty voatifitra ireo telo lahy ikoizana amin’ny asa fanendahana sy fandrobana tao Toamasina Renivohitra, omaly. Nandositra ny namany iray.
Maty voatifitry ny polisim-pirenena ny jiolahy telo lahy tompon’ antoka tamin’ny fanendahana mpandalo, tao Ambolomadinika Toamasina, omaly. Nanao fisafoana tamin’io faritra malaza fanaovan’ireo tontakely sy mpangalatra ny asa ratsy io ny mpitandro filaminana. Nanao paikady manokana ny polisy hanatrarana ireo olon-dratsy. Vehivavy sy lehilahy iray mody nampandalovina tamin’ny faritra mena eo amin’ny sampanan-dalana telo mihazo an’i Verreri sy Morarano ary Ambalakisoa, omaly maraina tamin’ny 10 ora. “Nokasan’ny jiolahy efa-dahy avy hatrany izy ireo”, hoy ny fanazavan’ny kaomisera Centrale, Rakotondrainivona Panoel. Nasaina nijanona, nandositra ny polisy tao anatin’ny haizina ireo olona ireo. Namoaka antsy teny aminy ireo olon-dratsy sady nikasa hanohitra. Namoaka ny fitaovam-piadiana ny polisin’ny UIR . Raikitra ny tifitra. Vokany, lavo ireo jiolahy miisa telo. Voamarina tamin’ny alalan’ny fanadihadiana fa anisan’ny tompon’antoka amin’ny fandrobana ao amin’ny fokontany Ambolomadinika sy ny manodidina ireto lavo ireto. Lasibatry ny asa ratsin’izy ireo, ny mpitondra posy miasa alina sy ireo mpody hariva.
Mitohy ny hazalambo
Nohamafisin’ny talem-paritry ny filaminana anatiny faritra Atsinanana, ny komisera, Rakotovao Jean Christian fa baiko no omena ireo komisaria rehetra tsy hitsitsiana ireo jiolahy ary tsy maintsy hamongorana azy ireo. “Anatin’ny fotoam-pialantsasatra isika izao, betsaka ny mpitsangatsagana sy vahiny hitsidika an’ i Toamasina noho ny fisian’ny Miami, izay toerana maresaka ho an’ny mpizahantany tsy maintsy hampiseho ny polisim-pirenena fa milamina i Toamasina”, hoy izy.
Sajo/Tsiferana R.