Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny vehivavy iray nidaroka sy nampijaly ny zana-badiny tao amin’ny fokontany Ilaivola, kaominina Ivato, distrikan’Ambohidratrimo, ny alarobia 10 jolay teo. Niantso vonjy tamin’ny mponina manodidina mpiray vodirindrina aminy ny zazavavy iray. Mangana avokoa ny mason’io zaza io ary nahitana ratra ny faritry ny vatany. Tsy nisy olon-kafa ankoatra azy sy ilay ramatoa renikeliny tao an-trano. Natahotra anefa ny mpiara-monina ka niantso ny zandary miasa eny amin’ny manodidina hijery ny raharaha. Efa fanaon’io ramatoa io ny mampijaly ilay zana-badiny rehefa tsy ao an-trano ilay rangahy. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny zandary. Voamarina fa lasa niasa any amin’ny faritany ny rain’ny zaza. Mijanona eo amin’ny renikeliny, noho izany, io zaza io ka matetika iharan’ny herisetra. Nentina notsaboina eny amin’ny tobim-pahasalamana izy. Notanana atao famotorana ilay vehivavy nahavanon-doza.
Tsiferana R.