Anisan’ireo niatrika ny fihaonana an-tampony eo amin’i Etazonia sy i Afrika, natao tany Washington DC ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona, i Besoa Eric ny herinandro teo. Nambarany fa nahavelom-bolo ny fihaonana. “Vonona hanatsara sy hanamafy ny fiaraha-miasa amin’i Afrika i Etazonia, indrindra fa amin’ireo tena laharam-pahamehana iraisana maneran-tany”, hoy izy. Anisan’ny lohahevitra tamin’izany ny demokrasia sy ny zon’olombelona, ny fanalefahana ny fiantraikan’ny Covid-19 sy ny aretina hafa maneran-tany. Eo koa ny fampiroboroboana ny ady atao amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fametrahana ny fandriampahalemana. Manampy izany ny olan’ny fiovaovan’ny toetry ny andro, ary fanamafisana ny fifandraisana amin’ireo Malagasy any Etazonia “Diaspora”.
Manamarika ny famerenan’ny fitondran’ny filoha amerikanina, Joe Biden ny fampiroboroboana ny toekarena ny fiaraha-miasa eo amin’i Etazonia sy i Afrika.
Synèse R.