Mirongatra izaitsizy ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina. Anisan’ireo miray tendro sy manao asan-jiolahy ny ankamaroan’ireo mpitondra posy bisikileta izay karazam-pitaterana mihamaro ao Toamasina, ankehitriny. Lasa fitaovana fampiasan’ny jiolahy sy/na hanaovana asa ratsy ireny posy bisikileta ireny amin’izao fotoana izao. Mpitondra posy iray no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria foibe tao Tanamakoa, omaly tamin’ny 3 ora sy 30 mn maraina. Malaza ratsy amin’ny firaisana tsikombakomba amin’ny jiolahy ity mpitondra posy ity, araka ny tatitra nampitain’ny polisy. Raim-pianakaviana iray no naterin’ny fiaran’ny orinasa fiasany teo Tanamakoa. Raha vao tafidina ny fiara anefa izy dia nisy jiolahy roa nivoaka avy ao anaty posy. Efa nanaraka ilay raim-pianakaviana hamonjy fodiana anefa ry zalahy ireto. Tsikaritr’ireo namany mbola tao anaty fiara mpitatitra anefa ny fisian’ireo jiolahy nandroba ireo mpiara-miasa aminy. Niantso polisy avy hatrany ireo namany sady niverina namonjy ity raim-pianakaviana ity. Vokany, nitsoaka ireo jiolahy ka ilay mpitondra posy no nalain’ny polisy. Nahitana antsibe iray tany aminy nandritra ny fisavan’ny polisy.
Sajo/J.C