Kitra « Mondial » : maro amin’ireo kalaza no tsy ho hita amin’ny 2026

Tapitra tamin’ny fahombiazana, ny fifaninanana eran-tany taranja baolina kitra na « Mondial », ho an’i Lionel Messi sy Di Maria, mpilalaon’i Arzantina. Azon’izy ireo ny amboaran’ny Mondial 2022, natao tany Qatar, ny alahady teo. Rehefa nandavo an’i Frantsa tamin’ny fandakana « tirs au but », 4 no ho 2, raha toa ka nisaraka ady sahala 3 no ho 3 teo amin’ny fehim-potoana ara-dalàna.
Nisongadina tanteraka izy ireo tamin’ny lalao famaranana, nahatafiditra baolina roa i Messi ary nahavita tolotra iray, ho an’i Di Maria. Voahosotra ho mpilalao mendrika nandritra ny Mondial 2022 i Leo Messi.
Ankoatra izay, tapitra hatreo koa ny Mondial ho an-dry Cristiano Ronaldo sy Pepe, mpilalaon’i Portogaly, i Giroud, lohalaharana frantsay, i Modric sy Périsic, mpilalao kalazan’i Kroasia, i Thiago Silva sy i Dani Alves, vodilaharana breziliana, i Shaquiri, irakiraka soisa, i Kazri, mpilalao tonizianina, i Eden Hazard, kapiten’i Belzika, ary i Aboubakar, lohalaharan’i Ka­me­ronina.
Tsiahivina fa atao any Etazonia ny Mondial 2026, ary hiakatra ho 48 ireo ekipam-pirenena handray anjara, ka manana toerana sivy amin’izany ny kaontinanta afrikanina.

Fitia (Mpianatra Asa)

Partager sur: