Nifarana ny alahady 18 desambra lasa teo, teny amin’ny Akademia Nasionalin’ny Spaoro Ampefiloha, ny fampivondronana ireo mpikatroka 30 mianadahy, taranja karate. Fiofanana hanomanana ireo fifaninanana rehetra miandry ny taranja karate, toy ny “Open de Paris”, hatao ny 20, 21 ary 22 janoary 2023. Tonga avokoa ireo karateka nantsoina hiatrika ity fampivondronana ity, izay nisy ny avy any amin’ny faritra. Nohamafisin’ ny filohan’ny federasiona malagasin’ny karate, Ratefinanahary Emile fa mpikatroka efatra mendrika indrindra isan-tsokajy ireto navondrona ireto. Tsy mbola tapitra hatreo ny fampivondronana fa hotohizana any amin’ny faritra. Raha ny fandaharam-potoana, ny 5 sy 6 janoary 2023 ny anjaran’Amoron’i Mania, ny 7 sy 8 janoary an’i Matsiatra Ambony ary ny 9 sy 10 janoary 2023 ho an’ Ihorombe. Hitohy any Vakinankaratra mianavaratra izany.
Tsiahivina, ny Shihan Hifazou Georges, tempana mainty 7ème Dan no nitarika ny fampivondronana niaraka tamin’ireo teknisianina marobe avy eo anivon’ny federasiona.
Mi.Raz