Vazaha iray 73 taona hita faty nihosin-dra tao an-tranony, ao amin’ny fokontany Antanimasaja, vakim-paritra fahatelo Mahajanga, omaly maraina. Nahitana tsindrona zava-maranitra maromaro teo amin’ny vatany, ny tendany hatrany amin’ny lohany. Araka ny fanazavan’ny tovolahy iray taizany (izay mpiambina ny tanànany ihany), tamin’ny
2 ora maraina, henony niresaka tamin’ny sakaizany ity vazaha ity namoaka azy avy ao an-tranony. Nanidy ny vavahadibe miditra ao an-tanànany izy noho ny efa lasa io sakaizany io. Nivoaka io
taizany io ka niara-niresaka taminy teo an-tokotany niaraka tamin’ny ramatoa iray mpaka rano vao maraina. Samy niara-niditra tao an-trano izy mianaka taorian’izay. Fotoana fohy taorian’izay, naheno zavatra nipoaka mafy avy ao an-trano io mpiambina io. Nivoaka izy ka nijery ity teratany vahiny ity saingy izy efa nihosindra mivalapatra eo am-pandriana no hitany. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny dokotera nanao fizahana ny razana. Nambaran’ ireo mpanao fanadihadiana fa fahafatesana mampiahiahy noho ny ratra marobe hita tamin’ny vatany no nisy. Fantatra tao anatin’ny fanadihadiana savaranonando fa mipetra-drery ity teratany vahiny ity. Efa ho herintaona izy no nipetra-drery tao amin’io tranony io.
J.C