Fisolokiana laza adina bakalorea : lehilahy iray nosamborin’ny polisy

Manakorontana saim-bahoaka sady misoloky, voasambotry ny polisim-pirenena ny lehilahy iray nisoloky ho manana laza adina amin’ny fanadinam-panjakana bakalorea tao Antsiranana Reni­vohitra, afakomaly. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana momba ny fisian’io lehilahy milaza ho manana laza adina io. Miara-miasa amin’ny tompona vondrona anatin’ny tambajotran-tserasera izy ka amidiny 20 000 Ar io laza adina lazainy io. Nahazo vola tamin’ny olona miisa efatra izy tamin’ izany. Nanao ny fikarohana rehetra nisamborana io mpisandoka io, noho izany, ny polisy izay niara-niasa mivantana tamin’ny minisiteran’ ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantsa, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny minisiteran’ny Fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra. Voka­ny, tratra ilay lehilahy ary niaiky heloka. Natao famotorana ka hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela. Nanamafy ny mpitandro filaminana fa tsy hilefitra amin’ireo minia mamotika ny hoavin’ny tanora, amin’ny alalan’ny tranga tahaka izao.

Tsiferana R.

Partager sur: