Noraisim-potsiny ! Naiditra am-ponja, afakomaly, eny Antanimora ireo olona efatra mianadahy voarohirohy amina raharaha fanaovana trafikana zava-mahadomelina mahery vaika (roro) rehefa avy natolotra ny fampanoavana. Nanao bemidina tampoka teny amin’ ny fokontany IVO Isotry ny polisin’ny CUI1 sy ny Sut, rehefa nahazo loharanom-baovao momba ny fisian’ireo zava-mahadomelina mahery vaika miparitaka eny an-toerana. Olona efatra mianadahy no nampiahiahy ny fihetsik’izy ireo nandritra ny fahatongavan’ireo polisy. Niroso tamin’ny fisavana azy ireo ny polisy ka nahitana roro miisa 51 fonosana tany anaty akanjon’ny vehivavy iray. Tampoka tamin’ireto mpanao trafikana zava-mahadomelina ireto ny fahatongavan’ny polisy. Teo am-pikasana ny hivarotra roro izy ireo no tonga ny polisy. Nentina nanaovana fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny polisy avy hatrany ireto voarohirohy ireto. Tao anatin’ny famotorana no nahafantarana fa misy mpamatsy izy ireo ka mivarotra izany eny Isotry sy ny manodidina. Samy manana ny andraikiny avy izy efatra mianadahy, raha ny fanazavany teo anoloan’ny polisy mpanao famotorana. Mbola misy mpiray tsikombakomba ao anatin’ izao fanaovana trafika izao. Eo am-pikarohana azy ireo ny polisy.
J.C