Tsy fahampian-tsakafo: raim-pianakaviana iray matin’ny hanoanana

Hatairana tampoka ny an’ireo olona teo an-tsenan’i Bazarikely Toamasina, omaly maraina. Nianjera tampoka ny raim-pianakaviana iray 56 taona. Raha ny fahitan’ny olona, fanina izy ka nitarika fianjerana teo aminy. Niezaka namonjy azy ireo olona nahita maso azy. Nentina haingana namonjy hopitaly saingy tsy avotra intsony ny ainy. Ho an’ ireo olona mahafantatra azy, olona sahirana ara-pivelomana ity raim-pianakaviana namoy ny ainy ity. Hany ka zara raha mahita sakafo hohanina. Mipetra-drery izy ka zara raha mahita karama. Tsy manana trano ipetrahana koa fa matory eny ambany lavarangan’ny magazay na eny an-tsena eny. Tsy fantatra rahateo koa ny vady aman-janany. Ireo olona mba malahelo no miantra sy manome sakafo azy, araka ny fanazavan’ireo olona mahafantatra azy hatrany. Voalazan’ny teo anivon’ny sampana misahana ny vonjy taitra eo anivon’ny Hopitalibe Toamasina, tsy fahampian-tsakafo no nahatonga azy fanina ka nitarika ny fianjerana. Tsy vitan’izay fa nitarika fahatapahan’ny lalandra teo amin’ny lohany koa ity fianjerana ity, raha ny filazan’ny mpitsabo ao amin’ny Hopitalibe. Tsy vao sambany no nahitana olona maty tampoka an-dalambe toy izao ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana. Ny tsy fahampian-tsakafo hatrany no tena fototry ny fahafatesana mahazo ireo tsy manan-kialofana. Ao amin’ny tranom-patin’ny Hopitalibe Toamasina ny razana.

Sajo/J.C

Partager sur: