Nisokatra omaly 17 hatramin’ny 20 jolay ho avy izao ny Foaran’ny formazy aty afovoantany, andiany voalohany, karakarain’ny M’Anja Events. Tena misongadina ny Vita Malagasy.
Miisa 27 ny tranoheva mandray anjara, ahitana ireo mpisehatra amin’ny famokarana fromazy sy ny manodidina azy. Hita ao avokoa ny mpamokatra efa tranainy, fa misy koa ireo vao manomboka. Anisan’izany ny fromazy marika Mozarella Nino, amboarin’i Tantely, nilaza fa «vao enim-bolana izahay no namokatra, mifantoka amin’ny Mozarella sy ny Ricotta, mampalaza ny Italiana. Mampiavaka anay anefa, ronono avy amin’ny ombigasy no ahodina fa tsy avy amin’ny ombivavy beronono, mba tena hisongadina tokoa ny vokatra vita malagasy».
Anisan’ny mandray anjara ao koa ny kaoperativa mpanao fromazy, Fi Ambatomanga, efa namokatra nanomboka ny taona 1984, izany hoe, 34 taona niasana. Nambaran’ ny tomponandraikitra, Lalaharivony, fa manodina ronono 800 litatra isan’andro izy ireo, vatsian’ny mpiompy avy any Manjakandriana, Mantasoa, Ambatomanga ary ny manodidina. Mampiavaka azy ny fanamboarana fromazy «munster», mitovitovy amin’ny «camembert», saingy eo amin’ny fofona sy ny hanitra no misy fahasamihafana. Misy koa ny Gouda, ny «Raclette» soisa, izay somary atono amin’ny afo vao kaofina, sns.
Tsara tohanana
Hita eny an-toerana koa ny vokatra hafa avy amin’ny ronono, manampy ny fromazy. Toy ny tranohevan’ny Madagasikara Dairy Board (MDB), manohana ny seha-pihariana ronono, amin’ny alalan’ny tetikasa “Profi-Lait Plus”. Nanamafy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ratohiarijaona Suzelin, nanokatra ny fotoana, omaly, fa «tsara tohanana ireo mpamokatra satria tena nasongadiny ny vita malagasy. Niainga tamin’ny herin’ny tenany daholo izy ireo tany am-piandohana, nefa iaraha-mahita izao ny fahombiazany».
Njaka Andriantefiarinesy