Tobim-pakon’Andralanitra : ahodina ho «biométhane» sy zezika ny fako

Ahodina ho entona « biométhane » sy zezika ho an’ny fambolena ireo fako mitoby eny Andralanitra. Nametraka ozinina eny an-toerana ny orinasa Apis Solutions. Hioty ny vokatra voalohany isika ny volana jolay 2025.

Natomboka tamin’ny fo­m­ba ofisialy ny alakamisy teo, teny Andra­la­nitra, ny tetikasa fanodinana ny fakon’Andralanitra ho lasa entona sy zezika. Tetikasa vokatry ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Ny taona 2022, niara-nanao sonia ho fanatanterahana izany ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) tamin’ny alalan’ny ben’ ny Tanàna teo aloha, Andriantsitohaina Naina, ny Société municipale d’assainissement (SMA) ary ny orinasa Apis Solutions. 60 ka hatra­min’ny 80 tapitrisa euros ny vola atonton’ny orinasa Apis Solutions hananganana ny fotodrafitrasa ilaina hanodinana ny fako 500 hatramin’ny 1 500 taonina tonga eny an-toerana isan’andro. «Tetikasa voalohany sady goavana eto Madagasikara sy manerana an’i Afrika ny fanodinana ny fako ety Andralanitra ho lasa Méthane sy ho lasa zezika composte», hoy ny filohan’ny Apis Solutions, Marie Yvonne Charlemagne. Ozinina efatra no kasain’ny Apis Solutions hapetraka. «Hanodina fako 20 taonina isan’andro ny ozinina iray voalohany ka hahazoana biométahane 98 % izay azo ampiasaina ho angovo ho an’ny orinasa na koa amin’ny fahandroana sakafo», hoy Hadrien Richard, injeniera misahana ny «biotechnologies» ao amin’ny Apis Mada­gas­car. Ny ozinina faharoa dia hanodina fako hatramin’ny 200 t isan’andro. Andrasana ny volana jolay 2025 ny biométhane voalohany vokarina. Orinasa iray eto Antananarivo no efa fantatra fa hampiasa ny vokatra voalohany.

Tombony
Hamokatra «méthane» 392 taonina isan-taona sy zezika 800 taonina ny tetikasa. Raha ny fako rehetra misy eo Andralanitra ankehitriny anefa dia heverina fa mbola ahazoana méthane hatrany amin’ny 15 000 taonina sy zezika 40 000 taonina rehefa mihodina avokoa ireo milina miisa efatra izay hapetraka. Havadika zezika avokoa mantsy ny sisan’ireo vokatra izay azo ampiasaina amin’ny fambolena, ka mahasolo ny zezika simika fampiasa mahazatra.

Henintsoa Hani

Partager sur: