Tany ho an’ny Malagasy : karatany 3 072 nozaraina tao Mahavelona Itasy

Ao anatin’ny fanatanterahana ny fanomezana karatany sy titra faobe ho an’ny vahoaka malagasy ny fitondram-panjakana amin’izao, amin’ny alalan’ny tetikasa tohanan’ny Banky iraisam-pirenena no hanatanterahana izany.

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny hetsika fizarana karatany sy titra faobe ho an’ny mponina ao amin’ny kaominina Mahave­lona, distrikan’i Miarinarivo, Faritra Itasy. Ankoatra ireo mponina mpisitraka ny tombontsoa amin’izao tetikasa izao, tonga niatrika izany fa­no­lorana karatany sy titra izany koa ireo olom-boafidy sy tomponandraikitra maro avy any an-toerana. «Tany ho an’ ny Malagasy» hoy ny Filoham-pirenena ao anatin’ny vinany, ary tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana izany izao hetsika izao.
Karatany miisa 3 072 sy titra 200 nozaraina tao amin’ny kaominina Mahavelona. Tombony lehibe ary vokatsoa maro no haterak’izany, araka ny nambaran’ireo vahoaka mpisitraka. Ankoatra ny fananana tany ara-dalàna, voalohany indrindra, afaka hanatanteraka ireo asa fivelomanasoa aman-tsara amin’izany tany izany ireo mponina mpisitraka, hitondra fivoarana eo amin’ny lafiny sosialy sy toekarena eto amin’ny firenena ihany koa izany. Kaominina maro, avy amina distrika maro samihafa, manerana ny Nosy, no efa nisitraka izany fizarana karatany sy titra faobe izany. Mbola mitohy ary hitohy hatrany izany. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny “Croissance agticole et sécurité fonciére” (Casef), vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola izao tetikasa izao, izay misehatra eo anivon’ny fananan-tany, ny fambolena sy fiompiana.

Lin

Partager sur: