Depiote Rakotondrasoa Fetra: “Manomboka manova mpiara-miasa ny filoha”

“Inona no andrasana amin’ ny governemanta ary naninona ny Praiminisitra teo aloha ihany no notanana? Ny fahitako azy: efa manomboka ma­metraka fanovana amin’ny olona hiara-miasa aminy ny filohan’ny Repoblika, raha tsy hijery afa-tsy ny zava-misy eo anivon’ny Antenimierampire­nena.” Io ny fijerin’ny depiote voafidy tany Miarinarivo ta­min’ ny anaran’ny Irmar, Rakoton­drasoa Fetra, ny amin’ny fananganana governemanta vaovao amin’izao. Misy karazana olona vaovao tian’ny filohan’ny Repoblika hampidirina. Manana an’izay fomba fijery lavitra izay izy amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Amin’ity depiote ity, tena tafiditra ao amin’ny filan’ny va­hoaka malagasy ny safidin’ny filohan’ny Repoblika. Izy no no­fidin’ny vahoaka malagasy ho filohan’ny Repobli­ka, ary miandrandra sy manantena tsaratsara sy misimisy kokoa ny filohan’ny Repoblika.
Ho maro ny olom-baovao hitondra an’izay herijika vaovao izay amin’ireo minisitra handrafitra ny governemanta, araka izay hafainganam-pandehan’ny filohan’ny Repoblika amin’ny fampandehanana ny raharaham-panjakana. Amin’ny fitondrana fampandrosoana misy fiantraikany mivantana amin’ny vahoaka malagasy izany. Hialana amin’ireo karazana minisitra tsy mahalala ny any ambanivohitra, ny hetahetam-bahoaka, ny fandehan’ny raharaham-panjakana… Tsy main­tsy minisitra mahafeno an’izay fepetra izay no ho ao anatin’ny governemanta, ary hanana an’izay herijika vaovao hitondra ho amin’ny fampandrosoana izay.

R. Nd.

Partager sur: