Niato tampoka ny zotra mpitatitra herinaratra any Andekaleka, omaly. Tsy ampy, araka izany, ny tanjaky ny herinaratra ho an’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Efa eo am-panarenana ny teknisian’ny Jirama mikirakira ny tanjaka ambony (high voltage), ary hiverina tsikelikely ny famatsiana.
Miisa 12 500 ny zana-trondro tilapia natolotry ny minisiteran’ny Jono, ny faritra Fitovignany, ny 19 jolay teo. Tsara kalitao, manaraka ny fenitra takin’ny mpanjifa ireo karazana tilapia ireo. Hozaraina amin’ny mpiompy trondro any an-toerana ny zana-trondro any Manakara.
Nahatratra 78 dolara ny vidin’ny barila amin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, omaly 21 jona. Niakatra kely izany raha oharina ny tamin’ny 4 jona 2024, nahatratra 76 dolara. Tamin’ny 3 avrily ny vidiny ambony indrindra tamin’ity taona 2024 ity, nisanda 84 dolara. Tsiahivina fa hiroso tsikelikely hampifanaraka amin’ny vidiny iraisam-pirenena isika.
Tovolahy iray no tratran’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd), voarohirohy amin’ny fivarotana sokatra anaty tambajotran-tserasera. Mirongatra ity fomba fivarotana ity ary misy amin’izy ireo no mpamatsy ny sokatra avy any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Miisa 10 ny olona tratra amin’ny fanaovana io trafika sokatra io, naiditra am-ponja tato anatin’ny iray volana.