Misy ifandraisana ara-tantara eo amin’ny fiavian’ny mponina i Madagasikara sy La Réunion. Misy koa ny fiaraha-miasa, ary mitohy sy hatevenina izany amin’izao…
Fahasalamana, fampianarana, toekarena manga, angovo azo havaozina, ny fifanakolazana eo amin’ny fikarohana ara-tsiansa… Ireo no sehatra isian’ny fiaraha-miasan’ny La Réunion sy i Madagasikara, raha ny fanazavan’ny filohan’ny Filankevi-paritra La Réunion, i Huguette Bello, taorian’ny fihaonany tamin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, teny amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra, omaly. Heverina ho sompitra aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina i Madagasikara. Firenena manan-karena nefa mahantra, manana ny ahazoany mihetsika sy mandroso, izay miavaka amin’ny loharanon-karena maro. Azo lazaina fa misy ny fitarihana ho amin’ny fiaraha-mandroso eo amin’ny sehatra rehetra. Zava-dehibe ny loharanon-karena amin’ny toekarena manga, araka ny nambarany. Ilaina ny fiaraha-miasa sy ny fifanakalozana ary nifampiresahana rahateo izay. 25 tapitrisa ny mponina eto Madagasikara, tapa-kevitra ary manana ny tetikasa fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Nankahery ny fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana izany izy. Tapa-kevitra hiara-miasa aminy koa La Réunion ary manolo-tanana.
Natsidiky ny filoha Rajoelina kosa ny fanatevenana hatrany ny fiaraha-miasan’ny roa tonta eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Manao ho zava-dehibe sy mametraka ireo fandaharanasa isan-tokony hanomezana fahasalamana mendrika sy sahaza ny vahoaka malagasy ny fitondram-panjakana amin’izao. Nasiany teny koa ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny traikefan’ireo Malagasy mpitsabo. Efa misy rahateo ireo manatevina ny seha-pikarohana any La Réunion, izay manana ny sehatra ahazoana manao izany.
R. Nd.