Tonga eto Madagasikara ny iraky ny Banky iraisam-pirenena. Mitarika ny delegasiona, ny tale misahana ny Vondrona ara-toekarena faobe sy ny varotra ary ny fampiasam-bola, Manuela Francisco. Nihaona tamin’ny praiminisitra, Ntsay Christian, omaly atoandro, teny Mahazoarivo, ny delegasiona. Niresahana ny fanohanan’ny Banky iraisam-pirenena an’i Madagasikara amin’ny fampandrosoana ankapobeny ny dinika. Ao anatin’izany ny fanatevenana ny harin-karena faobe (PIB), ny famoronana asa, ny fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ny tanora ary ny sehatry ny angovo. Nohamafisin’ny praiminisitra fa voafaritra ao anatin’ny Politka ankapoben’ny fanjakana (PGE) ireo sehatra voalaza ireo.
Ankoatra izany, nanatanteraka ny fanaovam-beloma tany amin’ny praiminisitra ny mpandrindra maharitry ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana sady mpandrindra ny sehatry ny maha olona (SNU), Issa Sanogo, omaly maraina. Natao jery todika ny asa vita niarahan’ny governemanta malagasy sy ny SNU, indrindra ny tany amin’ny tapany atsimon’ny Nosy.
Njaka A.