VAOVAO TAMBATRA

Efa miverina amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra any Toamasina, nanomboka, omaly. Tsiahivina fa may ny taribin-jiro ambanin’ny tany, ny alarobia 10 jolay teo, nahatonga ny fahatapahana faobe tao an-tampon-tanàna. Nifanome tanana tamin’ny Jirama ny ambaratongam-pahefana isan-tsokajiny, niasa andro aman’alina.
Nahazo sambo haingam-pandeha antsoina hoe Atsantsa 1 ny minisiteran’ny Jono sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga (MPEB) avy amin’ny firenena japoney. Hanampy amin’ny fanaraha-maso ny fari-dranomasin’i Madagasikara ity fitaovana ity sady hiadiana amin’ny jono tsy ara-dalàna. Omaly no natolotra tamin’ny fomba ofisialy, tany Mahajanga, io fitaovana io.
Nojerena ny toerana hametrahana siniben-drano mandevina fasika antsoina hoe « REEPS », apetraky ny orinasa Energis FD, any amin’ny kaominina Ambanihazo, distrika Ambovombe. Miisa 150 ny tokantrano amin’ny tanàna 5 hisitraka azy, ahazoana rano fisotro. Hihena ho 100 Ar isam-bolana no aloa, raha mividy 2 000 Ar izy ireo, ankehitriny.

Partager sur: