Sandam-bola: mananika ny 4 900Ar ny euro iray

Manakaiky ny 4 900Ar ny euro iray. Nihena ihany koa ny vokatra naondran’i Madagasikara tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona ka miantraika eo amin’ny toekarena.

Mitotongana! Ratsy toerana ny sandam-bola malagasy, mananika ny 4 900Ar ny euro iray, eo anivon’ny tsena ifanakalozana vola vahiny (MID). Nisanda 4 885,02Ar izany, omaly, raha toa ka 4 513,26 ny dolara araka ny hita ao amin’ny tranokalan’ny Banky foiben’i Mada­gasikara (BFM). Tsikaritra fa nanomboka ny 24 jona teo ny fiakaran’ny euro izay nisanda 4 755,7 raha 4 466,44 izany ho an’ny dolara. Ireto farany izay vola vahiny be mpampiasa sy entina eo amin’ny sehatry ny fifanakalozam-barotra eto amintsika.
Nihena hatrany amin’ny 30,7% ihany koa ny vokatra fanondran’i Madagasikara tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona 2024 raha oharina ny tamin’ny taon-dasa ka mampitotongana ny toekarentsika, hoy ny BFM. Voatonona ao anatin’izany ny lavanila, jirofo, kobalta sy ny maro hafa. Nihena 63,5% ny lavanila naondrantsika nandritra ny telo volana voalohan’ny taona noho ny fidinan’ny vidiny 81,3% na niakatra ho 95,0% aza ny kalitaom-bokatra. Nilatsaka hatrany amin’ny 64% ihany koa ny Nikela naondran’i Madagasikara nandritra io vanim-potoana io, izany hoe, nihena 38,4% ny habetsaky ny entana naondrana ary nihena 41,6% ihany koa ny vidin’izany. Toy izay koa ho an’ny vokatra Kobalta, nihena 24% ny vokatra naondrana na dia nitombo 7,9% aza ny habetsaky ny vokatra noho ny fihenan’ny vidiny hatrany amin’ny 29,5%. Nihena 11,2% ihany koa ny vokatra naondran’ireo orinasa afaka haba noho ny fidinana ho 9,5% ny vokatra naondrana sy ny vidiny manodidina ny 1,8%.

Toekarena
Mitotaly 78 066 ny mpizahatany tonga teto amintsika tao anatin’ny dimy volana voalohan’ny taona. Antoka ho an’ny fampandrosoana ny toekarena ny fampiroboroboana ny sehatra samihafa eto an-toerana, hanatsarana ny famokarana isam-paritra.

Henintsoa Hani

Partager sur: