Filana andavanandro: tafakatra 900 Ar ny vidin’atody eny amin’ny mpaninjara

Mahatratra hatrany amin’ny 900Ar ny vidin’atody eny an-tsena, amin’izao fotoana izao. Tsikaritra izany nanomboka ny volana jona teo. Ankehitriny, manomboka ny 750 ka hatramin’ny 900Ar ny vidin’izany. « Ireo atody madinika no mora vidy raha oharina amin’ireo vaventy », hoy Rasoa, mpivarotra eny Ana­lamahitsy. Mihena ny mpanjifa, voatery mampihena ny entana alaina ihany koa ny mpivarotra ka miantraika betsaka eo amin’ny tsena andavanandro izany. Antony mahatonga izao fiakaran’ny vidin’atody izao ny vidin-katsaka izay tsy latsaky ny 1 500 Ar ny kilao. Mihena, araka izany, ny isan’ny mpiompy, mihena ihany koa ny vokatra azo.
Tandidonin-doza ny seha-pihariana akoho manatody lava sy ny fakana nofo. Lany ividianana akora fototra ny 70% ny renivolam-pamokarana ka matiantoka izy ireo. Ny volana febroary teo, tafakatra 2 000 Ar ny kilaon’ny katsaka ka nampikaikaika ny mpiompy. Akora fototry ny fiompiana ny katsaka saingy mbola ambany ny famokarana izany eto Madagasikara.

Henintsoa H.

Partager sur: