Mitohy ny fampiroboroboana ny taninketsa indostrialy amin’ny alalan’ny tetikasa « One District One Factory » (Odof). Nisitraka izany, ny alahady teo, ny distrikan’Antsohihy. Hanodina tantely 100 litatra isan’ora sy hamokatra hatrany amin’ny 12 taonina isan-taona ny milina ao an-toerana. Hanatsara ny vokatr’ireo tantsaha ka hahatonga azy ireo hamokatra ny fahazoana ny ozinina. Tombony ihany koa ny fahitana lalam-barotra sy hanatsara ny toekarena ao Antsohihy. Hitantana ny taninketsa indostrialy ny orinasa Honey Ants izay miara-miasa amin’ny kaoperativa miisa 10 ivondronan’ny mpiompy.
Vinavinaina hamokatra tantely hatrany amin’ny 20 taonina isan-taona ny ao Antsohihy sy ny manodidina, afaka roa taona. Heverina hiakatra 30 taonina kosa izany afaka dimy taona.
Vanim-potoana fanokafana tantely ny volana mey ka hatramin’ny novambra izay hahazoana 10-15 litatra isaky ny tranona tantely.
Faritra anisan’ny manana vokatra betsaka azo hahodina ny faritra Sofia, izay loharanom-karena sy manodina ny toekarena ao an-toerana. Hanatsara ny fari-piainan’ny tantsaha ny fahazoana ny milina amin’ny alalan’ny taninketsa indostrialy. Mbola hitohy manerana ny distrika sy kaominina hafa ny tetikasa.
Henintsoa H.