Boeny sy Sofia : fampiofanana momba ny fiompiana drakaka

Faritra anisan’ny ahitana drakaka ny any Boeny sy Sofia. Ankoatra ny fihazana azy, azo atao tsara ny miompy azy. Natao tany Mahajanga, ny faran’ny herinandro teo, ny fampiofanana miompy drakaka any Mahajanga. Voakasik’izany ny fanalehibeazana ny drakaka manomboka 11 sm, satria izay no voafaritry ny lalàna ho azo amidy. Nambaran’ny minisitry ny Jono sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga (MPEB), Mahatante Tsimanaoraty Paubert, fa ho afaka aondrana any ivelany ity hazandrano ity, satria tena mbola malalaka ny tsena iraisam-pirenena. Manomboka 80 grama hatramin’ny 120 grama ny drakaka azo ompiana sy hampitomboina ary tanjona ny hahazoana maherin’ny 1 kilao. « Efa niditra tamin’ny fiompiana janga, ny lomotra sy ny karazana harena an-dranomasina samihafa isika, ka azo atao tsara koa ny mampiroborobo ny drakaka », hoy ihany izy.
Hatao ny 29 sy 30 jolay ho avy izao kosa ny fampiofanana any Antsohihy, faritra Sofia. Marihina fa maimaimpoana daholo ny fiofanana, tafiditra ao anatin’ny politikan’ny minisitera hanaovana laharam-pahamehana ny fihariana mampandroso ny faritra samihafa eto Madagasikara.

Njaka A.

Partager sur: