VAOVAO TAMBATRA

Hanondraka tanimbary 140 ha ny tohodrano any Manomboarivo, distrika Ambalavao, aorian’ny fa­narenana, raha 42 ha ihany teo aloha. Misy lemaka hafa koa efa hita, afaka hanondraka 1 680 ha rehefa vita raha 545 ha no vitany, ankehitriny. Manatanteraka izany ny fandaharanasa Defis, vatsian’ny Fida vola.

Tonga teny Ambohijatovo Ambony sy Faravo­hitra, omaly, ny teknisiana avy amin’ny orinasa Emer­gency Network Water, nijery ny fantsona sy ny famatsian-drano DN 200 sy ny Fonte DN 125, miara-miasa amin’ny Jirama. Tsiahivina fa nitokona ny mponina, ny herinandro lasa teo, noho ny tsy fisitrahana rano.

Ahitana toerana fitrandrahana hazovato any amin’ny kaominina Akondromena, distrika Miandrivazo. Mpitrandraka madinika ny any an-toerana, toy ny any Maroaboaly, Ankilimalaiolo ary Andriampagnohara. Tonga tany an-toerana ny tomponandraiki-panjakana, nanazava ny tokony hanarahana ny lalàna sy ny hanajana ny tontolo iainana.

Tsy mbola mijanona ny fahatapahan’ny herinaratra eto an-dRenivohitra, omaly. Matetika ny fitrangany, indrindra manomboka amin’ny 5 ora tolakandro mandrak’alina. Mitohy ny delestazy, efa ho herinandro maro izao, taloha, nandritra ary aorian’ny tsy fisian’ny solika mavesatra ampiasain’ny Jirama. Maro koa ny milina simba mahatonga ny fahatapahana.

Partager sur: