Tokony handraisana fepetra haingana ny fanorenan-trano tsy ara-dalàna ao Toamasina. Olana iray mifandraika amin’izany koa anefa ny gaboraraka sy ny tsy fandraisana andraikitra eo anivon’ny sampandraharaha teknikan’ny kaominina. Fanorenan-trano tsy ara-dalàna iray no ahina hiteraka disadisam-piarahamonina goavana amin’izao fotoana izao ao an-toerana. Miteraka olana ny fananganan-trano tsy nahazoana alalana ao Mangarivotra Atsimo parisela 21/52. « Tsy misy ny fahazoan-dalana amin’ny sampandraharaha teknikan’ny kaominina. Tsy vitan’izay fa efa namoahana didy fampiatoana, laharana faha 174/2024, ny 10 marsa 2024, ny fanorenana saingy mbola mitohy hatrany », hoy ny fanazavan’ny mpandraharaha iray mifanolo-bodorindrina amin’ity trano tsy ara-dalàna ity. Mipetaka amin’ny rindrin-tranony ny rindrin’ilay fanorenana tsy ara-dalàna. Vokany, nametraka fitoriana eny anivon’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ity mpandraharaha ity, raha ny tatitra nampitainy tamin’ny mpanao gazety. Ampangainy ho mitarika izao fanaovana antsojay izao ny sefo fokontany izay manome alalana ny mpanorin-trano voalaza fa tsy ara-dalana. “Mirehareha amin’ny maha mpanohana fitondrana azy, sady amin’ny maha mpiasan’ny prefektiora azy ity lehiben’ny fokontany ity. Tsy vitan’izany fa tsy mamaly ny fiantsoana nataon’ny zandary ihany koa izy”, hoy hatrany ilay mpandraharaha. Efa nitaraina teny amin’ny prefektiora ihany koa izy ireo saingy tsy nahitam-baliny. Nametraka fitoriana hafa eny amin’ny mpampanoa lalàna indray ireo mpifanolo-bodirindrina ka andrasana ny tohiny. Manao antso avo amin’ny fitondrana foibe ireo fianakaviana milaza ho lasibatry ny fanamparam-pahefana.
Sajo