Sambo kenyanina Maab Aqua : mitaky fanasaziana henjana ny fiarahamonim-pirenena

Onitra 5,4 miliara Ar no miandry ireo mpanjono tsy ara-dalàna kenyanina sy srilankey tratra tany Nosy Be, miampy fampidirana am-ponja. Manara-maso akaiky ny raharaha ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena eto an-toerana sy iraisam-pirenena.

Tratra nanjono tsy ara-dalàna tany amin’ny fari-dranomasin’i Madagasi­kara any avaratr’i Nosy Be, ny sambo kenyanina Maab Aqua, ny 8 jolay teo. Teratany kenyanina telo sy srilankey dimy ny tantsambo tao anatiny, nahatrarana vatan’an­tsantsa sy vombony karazany dimy, milanja 5 406 kilao. Araka ny lalàna mikasika ny jono, natao ny 18 jolay teo ny fivoriana mialoha ny fitsarana, niarahan’ny minisitera MPEB, ny Foibe mpanara-maso ny jono (CSP), ny fiarahamonim-pirenena na OSC (AVG, Mihari, CNPE). Nisolo tena ireo nandika lalàna, ny mpisolovava malagasy iray sy teratany srilankey iray. Niaiky ny fahadisoany ny voampanga ary vonona hizaka ny sazy. Raha ny lalàna 2015-053, mitentina 5,4 miliara Ar (1 203 991 dolara) ny onitra tokony haloa ao anatin’ny 7 andro, fa raha tsy izany dia hampiakarina fitsarana ny raharaha. Raha ny fahafantaran’ny OSC, omaly 24 jolay, tsy mbola nandoa io onitra io ny voampanga.

Tsy mbola ao anatin’io ny voka-panenjehina ataon’ny mpitandro filaminana (fidirana anaty fari-dranomasina tsy misy taratasy «visa»), ny an’ny APMF (tsy fananana fahazoan-dalana hanjono), ny an’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (fihazana biby arovana), izay tokony hisy sazy fanagadrana. Miangavy ny minisitera voakasika, indrindra ny fitsarana, noho izany ny OSC, tsy handefitra ary hampihatra ny sazy henjana.
Mpameri-keloka ilay sambo
Manamafy ny vondron’ny OSC, ahitana vovonana 25, fa manara-maso akaiky ity raharaha ity. Nanamarika ny filoha PCA-n’ny AVG, Razakamana­rina Ndranto, araka ny loharanom-baovao azony tany amin’ ireo OSC vahiny, fa efa mpameri-keloka manjono tsy ara-dalàna aty atsinanan’Afrika, ity sambo kenyanina Maab Aqua ity. Nisy sambo srilankey roa koa efa tratra nanjono taty amintsika tamin’ny enimbolana voalohany 2024.
Miangavy ny fanjakana foibe ny OSC, hanondrotra ny tetibolan’ny minisitera mitantana ny harena voajanahary sa­tria tsy mora ny ady atrehin’izy ireo. Satria, tsy mirotsaka anaty kitapombolany ireny onitra ireny, fa mijanona any amin’ny Tahirimbolam-panjakana.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: