Fanamby iraisan’ny tsirairay ny hanorina trano hisorohana amin’ny olana samihafa. Aman-tapitrisa maro ny fananganana trano ara-dalàna sy manana ireo fepetra takin’ny fanamboarana. “Mahatratra hatramin’ny 20 tapitrisa Ar ny tetibola ho an’ny fanangana trano manana efitra telo sahaza an’olona efatra mianaka. Manana velarana 10-12m2 kosa ny efitra tsirairay. Tsy ao anatin’izay ny vidin-tany”, hoy ny mpandraharaha iray eo amin’ny sehatry ny trano, Rabe Tojo. Nilaza izy fa manomboka amin’ny 15 tapitrisa Ar kosa ny renivola ho an’ny kojakoja anatin’ny trano toy ny lakozia, trano fidiovana ary ny trano fivoahana. Mihoatra lavitra ireo kosa ny tetibola ilaina raha mbola mividy tany.
Mananosarotra ny fanangana trano noho ny halafosan’ny vidin’entana sy fitaovana samihafa. Eo ihany koa ireo fanaraha-maso tsy maintsy atao. Noho izany, mazana mionona amin’izay misy sy takatry ny vola ny ankamaroan’ny tokantrano malagasy.
“Foara trano”
Manome vahaolana sy torohevitra mahakasika ny tontolon’ny taotrano sy ny fonenana ny hetsika “Foara Trano”, etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina. Hita eny an-toerana mandritra ny efatr’ andro ireo mpisehatra samihafa momba izany. “Tanjona ny hamahana ny olana momba ny taotrano rehetra ho an’ity andiany faharoa ity”, hoy Michel Joseph, mpikarakara ny hetsika. Misy, araka izany, ny torohevitra zaraina amin’ireo mpitsidika hamantarany bebe kokoa ny tontolon’ ny fanangana sy fanorenana trano.
Henintsoa Hani