VAOVAO TAMBATRA

Mitentina 72 miliara Ar ny trosan’ny fanjakana amin’ny mpaninjara solika ho an’ity taona 2024 ity. Manodidina ny 39 miliara Ar ny tavela tamin’ny taon-dasa. Misy ny fifanarahan’ny roa tonta handoavan’ny andaniny sy ny ankilany avy ny trosany sy ny hetrany taorian’ny tsindry nataon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI).
Maherin’ny 50 000 ny isan’ny fiaramanidina ara-barotra ho an’ny taona 2043, araka ny vinavinan’ ny Boeing. Atontanisa avo roa heny amin’ny isan’ny fiaramanidina miasa amin’izao fotoana. Nambarany fa 6 195 amin’ireo fiaramanidina 26 750 isa no heverina fa mbola hisidina afaka 20 taona.
Tsy ampy ny isan’ireo kamiao mitatitra ny solika mavesatra ilain’ny Jirama. Orinasa tsy miankina no miantoka ny fitaterana azy ireo avy any Toamasina mankaty Antananarivo. Voatery atao ny fanapahana herinaratra mifandimby (delestazy), noho izany, amin’ ny tambajotra iraisan’Antananarivo sy ny manodidina (RIA).
7 taona tsy nisy afo izao ny any amin’ny «Allée des baobabs» Morondava, ary voatazona hatramin’izao. Tanteraka izany noho ny ezaka nataon’ ny Komity miaro sy mitantana ny faritra arovana Menabe Antimena (KMMFA) any an-toerana. Entanina ny rehetra hanara-maso ny afo, ary hampita vaovao marina amin’ny laharana 955 raha sendra misy tranga.

Partager sur: