Namoy ny ainy teo noho eo, ny mpamilin’ny fiara marika starex iray niharan-doza tetsy Antanimena, omaly maraina tamin’ny 1 ora. Potika tanteraka ny lohan’ny fiara.
Lehilahy 28 taona nitondra fiara matin’ny lozam-pifamoivoizana teo Antanimena, omaly maraina tamin’ny 1 ora. Nalalaka ny lalana ka nanararaotra nandeha mafy ny mpamilin’ny fiara. Avy any amin’ny rond-point Antanimena, nikasa hidina amin’ny lalana mihazo an’Ankorondrano izy. Nidona tamin’ny fefy vato manasaraka ny arabe ny fiara ka niezaka namerina ny familiana ny mpamily. Nifatratra tamin’ny tambohon’ny fianarana tamin’ny ankavanan-dalana izy. Nitsimbadika nitodi-doha niverina niakatra vokatry ny dona mafy io fiara io. “Tsy nisy olona hafa fa ny mpamily irery no tao anatin’ny fiara”, araka ny loharanom-boavao avy amin’ny mpitandro filaminana nisahana ny famotorana.
Vaky loha
Potika ny lohan’ilay mpamily. “Nikirazorazo teo amin’ny fitaratry ny varavarakelin’ny fiara teo amin’ny toeran’ny mpamily izy”, araka ny fanazavana voaray teo anivon’ny polisin’ny UIR izay nanatri-maso ny tranga. Tsy afa-natao na inona na inona intsony, araka izany, ilay mpamily izay tapitr’aina teo noho eo. Marihina, mateti-pitranga ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny fandehanana mafy ataon’ny mpamily ho an’ny teto an-dRenivohitra tato ho ato. Fiara raitra avokoa ny ankamaroan’ireo niharan-doza. Ankilany, manao izay ho afany manatontosa fisavana tampoka ny fiara eny an-dalambe ny Antokon-draharaha misahana ny Fitanterana an-Tanety (ATT).
Tsiferana R.