Lavon’ny balan’ny zandary avy ao amin’ny tobim-pileovana Menabe, tao amin’ny fokontany Bekadradraky kaominina ambanivohitr’i Manandaza distrikan’i Miandrivazo, afakomaly ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Gody. Vao nanentana ireo olon-tsotra mitazona fitaovam-piadiana mahery vaika anefa ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-pileovan’ny Menabe tarihin’ny Kly Faneva mba hamerina haingana ireny fitaovam-piadiana ireny any amin’ny mpitandro filaminana. Nahazo angom-baovao anefa ny zandary afakomaly alina momba ny fisian’ny dahalo iray mitazona basy Kalachnikov ao Ambondro fokontany Bekadraraky. Nametraka ny vela-pandrika rehetra hahafahana misambotra azy ny zandary tamin’io fotoana io. Voamarina tokoa ny fisian’i Gody tao amin’ny trano iray. Nikasa hitsoaka ihany anefa izy rehefa nifanehatra tamin’ny zandary. Vokany, maty voatifitra izy. Nandritra ny fisavana ny tranony no nahitana basy Kalachnikov iray miaraka amin’ny tranom-bala. Nanamafy ny teo anivon’ny vondron-tobim-pileovan’ny Menabe fa mitohy hatrany ny diaben’ny fandriampahalemana ataon’ny zandary. Mitohy ny fanadihadiana momba ny nivoahan’ity basy mahery vaika ity tonga any am-pelatanan’ny dahalo.
J.C