Niampy iray indray ireo voasaringotra tamin’ilay raharaha vonoan’olona feno habibiana teny Antanetibe kaominina Antehiroka, ny 5 jolay lasa teo. Ny mpanampin’ilay tovovavy sy ny sipany ary ny naman’ny sipany no voasambotra voalohany. Nitohy hatrany anefa ny famotorana lalina nataon’ny zandary ka tao anatin’izany no nahafantarana fa isan’ireo tompon’antoka tamin’ izao vonoan’olona izao koa ny rafozany. Natolotra ny fampanoavana, omaly, ny raharaha taorian’ny famotorana nataon’ ny zandary. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ny lehilahy roa raha nalefa eny Antanimora kosa ny vehivavy roa. Hita faty teo an-tranony teo ambony fandriana izy tamin’io fotoana io. Ankoatra ny vono nahafaty dia niampy fandrobana ihany koa, satria lasan’ireo mpamono ny vola rehetra tao an-trano niampy finday ary firavaka sarobidy. Nampidirin’ilay tovovavy mpanampiny mialoha tao an-trano ireo lehilahy roa hamono azy. Nokendainy teo ambony fandriana ka tsy navelany raha tsy tapitra ny ainy.
J.C