Madagascar Airlines: mitombo efatra ireo fiaramanidina miasa

Tafaverina miasa ny fiaramanidina iray an’ny kaompania Madagascar Airlines rehefa nandalo fanamboarana. Mitotaly efatra ankehitriny ny fiaramanidina am-perinasa.

Tafiditra ao anatin’ny drafi-panarenana « Phé­nix 2030 » ny kaompania Madagascar Airlines ny fampitomboana ny fiaramanidina hamaliana ny filan’ny mpandeha amin’izao vanim-potoana fahatongavan’ny mpizahatany izao. Tafaverina miasa ankehitriny ny fiaramanidina MSN 813 rehefa nandalo fanamboarana. Hanam­py isa ireo fiaramanidin’ny kaompania izy ka hanampy ny sidina ataony. Mitotaly efatra, araka izany, ny fiaramadina ampiasain’ny Madagascar Airlines ka ATR-72 avokoa ny telo. Tolo tanana avy amin’ny kaompania Cem’Air kosa ny fiaramanidina Q400 fahefatra. Marihina fa andrasana ny volana septambra sy oktobra izao kosa ny fiaramanidina roa hafa hanampy ireo misy amin’izao fotoana. « Izao no azo dia vokatry ny fahombiazan’ny ekipa misahana ny lafiny teknika. Fa indrindra ny tohana avy amin’ny fanjakana sy ny Banky iraisam-pirenena », hoy ny tale jeneralin’ny kaompania, Thierry de Bailleul.

Tolotra
Mbola betsaka ny tolotra omen’ny kaompania ho an’ny mpanjifa mandritra ity volana jolay ity. Mitotaly hatrany amin’ny 157 ny sidina ataony hatramin’ny faran’ny volana, maherin’ny 21 000 kosa ny seza ho an’ny mpandeha. Ankoatra izay, misy ny tolotra sahaza ny fahefan’ny rehetra. Tsiahivina fa misy ny fihenam-bidy hatramin’ny 60% ny tapakila. Misy ihany koa ny tolotra natao ho an’ireo mpifankatia (Duo) na fianakaviana (famil­le) mandray ny sidina anatiny hatramin’ny 31 jolay. Afaka manantona mivantana eny amin’ny masoivohon’ny Ma­da­gascar Airlines na ireo «agence de voyage » mahazatra azy ireo mpandeha maniry hisitraka izany. Izao no atao mba ho fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany izay miantoka ny fampandrosoana ny toekarena.

Henintsoa Hani

Partager sur: