VAOVAO TAMBATRA

Voarafitra ny lisitr’ireo sehatra varo-draharaha ekena ho alalahana sy hasina fepetra ho an’i Mada­gasikara. Fahombiazana ny hahafahantsika mitambatra hanatratra ireo fanamby sy fahavononana hampandroso ny firenentsika, amin’ny alalan’ny varo-draharaha hiarahana amin’ny Vondrona eoropeana.

Maherin’ny 42 isan-jato miohatra ny fanafarana tamin’ny taona 2021 ny fanafarana menaka fampiasa amin’ny sakafo nataontsika  tamin’ity taona ity. Man­ga­taka ny handraisana fepetra hiarovana azy ireo ny mpamokatra menaka eto Madagasikara.

Nisokatra ny taom-piotazana voamaina andiany faharoa ho an’ny faritra Betsiboka. Tanjona ny hampahafantarana an’ireo mpandraharaha manerana ny Nosy fa anisan’ny mahavokatra voamaina betsaka ny ao an-toerana. Mila tohana koa ny tantsaha mba hahitan’izay ireo lalam-barotra.

Handray anjara amin’ny fivoriambe faha-79 ny Firenena mikambana ny 24-30 septambra, any New York, i Madagasikara. Hitarika ny delegasiona malagasy ny filoham-pirenena, hitondrany ny feon’ny fitondram-panjakana malagasy momba ny lohahevitra « Tsy hamela na iza na iza: mifarimbona hampandroso ny fandriampahalemana, fampandrosoana lovain-jafy ary ny hasin’ny maha olona ho an’ny taranaka ankehitriny sy ho avy ».

Partager sur: