Fadintseranana Malagasy: « Goavana ny fanatsarana, hanamafisana ny mangarahara », hoy ny tale jeneraly

Mpiantsehatra fototra eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny ao amin’ny ladoany. Hisy ny fanovana ho entina, manamafy ny toromariky ny Filohan’ny Repoblika. Manazava ny tale jeneraly ,Lainkavana Ernest Zafivanona.

Gazety Taratra (*) : Inona marina Andriamatoa Tale jeneraly no nahatonga ireny fidinana tampoka nataon’ny filohan’ny Repoblika ireny ?

Lainkavana Ernest (-) : Manoloana ireo fitarainana samihafa mikasika ny tsy fa­ha­tomombanan’ny fomba fiasan’ireo mpisehatra samihafa sy ny kolikoly eny anivon’ny seranam-piaramanidina Ivato, dia nanatontosa fidinana ifotony ny filoham-pirenena. Mika­sika ny fadintseranana manokana, ao ny lesoka izay hita sy voaporofon’ny fanadihadiana izay atao mikasika ny fitarainana voaray, dia efa nandraisana fepetra sy fanasaziana mifandraika amin’izany fihoaram-pefy sy fandikana lalàna izany avy hatrany, araka ny lalàna manan-kery. Misy koa anefa ny tranga sy fanapariahana vaovao tsy nitombina, saingy noho ny fahasorenana tany aloha dia miverimberina ny fiampangana. Misy indray ireo fiampangana vokatry ny tsy fahalalan’ny olona ny zony, ny dingana arahina, ny haba tokony haloany na tsia. Manoloana izany dia miezaka hatrany izahay mitady vahaolana araka ny tokony ho izy. Mitondra fanazavana ary efa namoaka tari-dalana ho an’ny mpandeha hanampy azy ireo hahafantarany bebe kokoa ny zo sy ny adidin’ny tsirairay, araka ny lalàna manan-kery.
Marihina anefa fa tsy ny fadintseranana manokana no notsirihin’ny filoha fa ny seranam-piaramanidina Ivato iray manontolo. Izany hoe, nojerena daholo ny fomba fiasan’ireo mpisehatra rehetra eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato : ny mpitandro ny filaminana isan-karazany, ny ministeran’ny Fahasalamana, ny mpibata entana, …

* Taorian’ny fidinana ifotony, inona ny lamina na fepetra noraisinareo ?
– Ho an’ny faditnseranana manokana, anatin’ny fanajana hatrany ny fitsinjaran’andraikitry nytsirairay eny amin’ny seranam-piaramanidina, dia ni­vory avy hatrany izahay ny ta­la­ta lasa teo, taorian’ny fidinana ifotony nataon’Andriama­­toa Filohan’ny Repoblika, ho fandrindrana ny anjara andraikitry ny sampan-draharaha rehetra mikasika ny fanavaozana sy fanatsarana izay efa andalam-pametrahana sy mbola ho apetraka eo anivon’ ny Fadintse­ranana.
Efa taona maromaromanko izahay no nanomboka nitondravahaolanaamin’ny fanatsarana ny fomba fiasa. Ohatra amin’izany, tamin’ny taona 2022, no nanomboka nanamboatra ny application « Douane MDG », ho fanamoràna nyfanambarana atao eny amin’ny Fadintseranana. Ani­san’ny tena jerena manokana manko ny fampiasana ny teknolojia mbahameranany fifampikasohan’ny olombelona sy fikirakirana mivantana ny vola. Hanomboka tsy ho ela ihany koa ny fametrahana ny foto-drafitra manokana hiasanay eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato mba hanamafisana hatrany ny mangara­haraha sy ahafahanamiroso amin’ny drafitrasa efa nipetrapetraka.

*   Misy olana manokana veny fandrindran’asa eny amin’ny seranam-piaramanidina, mahatonga ny anaran’ny fadintseranana ho voantonona manokana?
– Samy manana ny andraikitra manandrify azy ny tsirairay ka tsy afaka ny hiteny amin’ ny anaran’ny hafa aho. Anisan’ ny efa nanolo-kevitra momba ny fampijoroana ny komity ma­nokana handrindra ny sisintany izahay, ary ireny nolanian’ny Filankevitry ny minisitra ireny ilay izy. Marihina fa efa nisy taona 2020 ny fivorian’ny mpiantsehatra rehetra, hametrahana rafitra niraisana dia izao hotanterahina izao izany. Tsy manam-pahefana hiteny na hitsara ny fomba fiasan’ny hafa aho. Fa araka ny voalaza teny am-panombohana, ny fadintseranana manokana dia efa misy ny vahaolana tsara rafitra sy maty paika fa tsy va­haolana vonjimaika arakaraka ny hodidina fotsiny ihany. Mi­aloha ny filankevitry ny ministra dia efa nisy ny fivoriana namelabelarana izany tamin’ ny tomponandraikitra.
Tsy izany ihany fa nisy koa, afakomaly, ny fiaraha-mi­dinika amin’ny mpiantsehatra hafa momba ny fivezivezen’ny vola vahiny, ohatra. Nihaona tamin’ny banky sy ny sehatra tsy miankina izahay, nialohavan’ny fivoriana niaraka tamin’ ny Samifin, ny Banky foibe, ny Tahirimbolam-panjakana, sns.
Tsy mivaona amin’ny fampiaharana ny lalana ny asan’ny faditseranana ka isaorana ny filohan’ny Repoblika ny fidinana ifotony tahaka izao. Mainka manampy tosika ny ezaka natomboka izay tsy maintsy nilana ny fidiran’ny tomponadraikitra ambony toa azy sy ny governemanta.

Nangonin’i r.r

Partager sur: