Mody nividy zava-pisotro: efa-dahy saika handroba “Bar”

Voasambotra avokoa ireo efa-dahy nanambana antsy ny mpandray vola tao amin’ny trano fisotroana iray tetsy Manjaka Ilafy, afakomaly.

Mody nividy zava-pisotro toy ny olon-drehetra, efa-dahy nitondra antsy nikasa handroba tao amin’ny toeram-pisotroana iray teny Manjaka, anatin’ny kaominina Ankadikely-Ilafy, afakomaly. Niara-niditra tao amin’io toeram-pisotroana io izy efatra mirahalahy. Nan­dinindinika ny manodidina, nanara-maso ny mpandray vola tao amin’io toerana io izy ireo. Niandry mangingina tsy misy mpividy, nitsangana moramora nanatona ny mpandray vola izy ireo. Namoaka antsy pika teny aminy ny iray tamin’ireo efa-dahy ary nandrahona avy hatrany. No­teren’izy efa-dahy hanome ny vola rehetra tao anatin’io toerana io ilay mpitam-bola. Raiki-tahotra, niantso vonjy tamin’ny manodidina ilay lasibatra. Ren’ny olona tsy lavitra izany ka niantso ny mpitandro filaminana ny tsara sitrapo. Minitra vitsy taorian’ny tranga, nihatrana teny an-toerana ny zandarimaria miasa ao Ankadikely.

Niezaka handositra…

Efa nanao tongotra an-katoka nandositra ireo mpandroba. Voasambotry ny mpitandro filaminana avokoa izy ireo. Nosavaina, tratra teny amin’ny iray ny antsy pika nokasaina hamelezana ilay mpandray vola teo amin’ny toeram-pisotroana. Nentina nihazo ny biraon’ny zandary avy hatrany izy telo lahy. Tsiahivina, jiolahy telo lahy nikasa hanao fanafihana nitam-piadiana lavon’ny polisy teny Ambohibe, kaominina Ankadikely Ilafy, ny talata 23 jolay teo. Mbola karohina ny naman’ireo telo lavo ireo amin’izao fotoana.

Tsiferana R.

Partager sur: