Nahazo 5 tapitrisa Ar : mpisoloky voasambotry ny zandary

Tratran’ny zandarimaria miasa ao amin’ny Tobi-paritra Mananara, ny mpisoloky iray nilaza ho mahay mampitombo vola, afakomaly. Manatona olona mihitsy izy ary mitady izay azony hambakaina amin’io fandrebirebeny io. Mpamboly lavanila iray tao amin’ny Antsirabe-Fotsiarivo, kaominina Analampotsy, Kaominina Mananara Avaratra no lasibatra. Nampiresahana io raim-pianakaviana io ka nampanantenainy fa hitombo vola be anatin’ny 24 ora monja ny vola. Resy lahatra tamin’ny fanambakan’io olon-dratsy io ilay mpamboly. Naka vola mitetina an-tapitrisany izy ary nanolotra izany tamin’ilay mpisoloky. Tetsy ankilany, nitondra solefanina teny aminy ity mpisandoka ity. Nosesefany taratasy efa tonta tao anatin’io fonosana io. Tsy naharaka na inona na inona anefa ilay mpamboly ka nandray ny solefanina. Tsy navelan’ilay mpanambaka ho sokafana mihitsy io fonosana solefanina io raha tsy aorian’ny 24 ora. Niandry ny fotoana nifanomezana ilay mpamboly. Lasa nandositra niaraka tamin’ny vola azony ilay mpisoloky. Nanokatra ny solefanina, taratasy tonta avokoa no azon’ilay mpamboly lavanila ho solon’ny volany. Nitaraina tamin’ny manodidina izy. Nikaroka ilay tsy valahara avy hatrany ny polisy kaominaly sy ny andrimasom-pokonolona ao an-toerana. Tra-tehaka ilay lehilahy voalaza ho nanao ny fisolokiana. Niaiky heloka, nentina natao famotorana ity farany ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela.

Tsiferana R.

Partager sur: