Toekarena : mandrafitra ny 13% ny harinkarena faobe ny fizahantany

Miantoka ny fampandrosoan’ny toekarena ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany. Saingy, mitaky ezaka goavana ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa hanatanterahana izany.

Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny toekarena eto Madaga­sikara ny sehatry ny fizahantany noho izy mandrafitra ny 13% ny harinkarena faobe. Sehatra iray anisan’ny mampidi-bola eto amin’ny firenena sy miteraka asa izy, indrindra ny « écotourisme » izay tokony hampiroboroboana tanteraka.
Na izany, mitaky ezaka goavana ny fanatsarana fotodrafitrasa eto amintsika. Tokony hampitomboina ny sidina iraisam-pirenena mampifandray ny Nosy amin’ireo firenena any ivelany. Tokony hamboarina ihany koa ireo lalam-pirenena samihafa sy ireo lalana mampitohy ireo toerana misarika mpizahantany indrindra ny lafiny fandriampahalemana. Zava-dehibe izany amina maha toerana mahasarika mpizahantany an’i Madagasikara. Vina apetraky ny fanjakana rahateo ny hahatratra 970 000 hatramin’ny 1 000 000 mpizahantany ho an’ity taona ity.
Hetsika

Tombony betsaka eo amin’ny sehatry ny toekarena eto amintsika ny « Festival des baleines » natao tany Nosy Bo­raha (Sainte Marie). Tom­banana ho 825 ireo mpizahantany avy eto an-toerana tonga nanatrika ny andiany fahafito tamin’ity hetsika ity raha manodidina ny 312 kosa ireo teratany vahiny. Mahe­rin’ny 10 000 kosa ireo nandray anjara tamin’ny lalao sy fifaninanana samihafa. Ma­herin’ny 35% izany raha oharina tamin’ny taon-dasa. Mbola olana kosa ny tsy fisian’ny sidina mifandray mivantana amin’ny nosy La Réunion nandritra ny hetsika. Inoana fa hitombo ny mpizahantany ho avy raha tanteraka izany.
Fahombiazana tanteraka ny « Festival des baleines » andiany faha-7 tamin’alalan’ny fanandratana avo ny sakafo malagasy. Teo ihany koa ireo lalao samihafa tany an-toerana. Marihina fa hotanterahina ny 12 -20 jolay 2025, ny andiany fahavalo amin’ity hetsika mampalaza ny nosy Boraha ity.

Henintsoa Hani

Partager sur: