Fatin-dehilahy iray manodidina ny 30 taona, nihohoka, no hitan’ny olona tao anaty lakandrano ao amin’ny fokontany Ambohidava Antsirabe, omaly tamin’ny 10 ora maraina. Tonga teny an-toerana ny polisy niaraka tamin’ny dokotera avy ao amin’ny CSB2 nanao ny fizahana ny razana. Nandritra izany no nahitana fa fahafatesana tsotra no nahafaty azy fa tsy vonoan’olona araka ny fieritreretan’ny maro. Taorian’ny fizahana, efa nomena ny fianakaviana ny razana.
Fa omaly ihany, fatim-behivavy iray koa nisy nahita tao Andranamba, fokontany Verezambola Antsirabe. Tsy nisy taratasy namantarana azy fa raha ny tombantombana dia manodidina ny 48 taona izy. Tsy fantatra mazava koa ny antony nahafaty azy. Tao anatin’ny fizahana nataon’ny dokotera no nahitana fa novonoina izy. Nahitana mangana tamin’ ny vatany. Tsy lavitra ny toerana nahitana ny fatiny no nisy ny kapany. Mandeha, araka izany, ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba ity raharaha vonoan’olona ity. Nalefa avy hatrany ao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly ny razana.
Hita faty tao anaty dobo ao Tambohomandrevo Fianarantsoa, omaly, koa ny lehilahy iray 30 taona. Dobo fanondrahana anana ny nahitana ny fatiny. Voalazan’ireo olona mahafantatra azy fa hita teny akaikin’io dobo io izy ny sabotsy hariva, efa mamon’ny toaka. Ahina ho misy hifandraisany amin’ izany izao fahafatesany izao, raha ny tombantombana nataon’ny rehetra. Tsy fantatra kosa ny fianakaviany.
J.C