Andohatapenaka : rongony 405 kg saron’ny polisy

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny fiara lehibe iray nitondra rongony nilanja 405,2 kg teny Andohatape­naka, afakomaly. Nanao fisavana tampoka io fiara nandalo io ny polisy miasa eny an-toerana. Hafahafa ny fihetsiky ny mpamily rehefa nangataka ny hanehoana ireo entana tamin’ ny fonosana maromaro ny polisy. Gony am-polony no nentina tao anatin’io kamiao io ka nosokafana. Rongony avokoa ity sarona ity. Nitotaly 30 isa ny gony nitondrana azy ary nafenina tao anaty harona solefanina mainty. Notanana avy hatrany ny mpamily ny fiara. Natao famotorana, niaiky ny fandikan-dalàna nataony izy. Nentina avy any amin’ny faritra Atsimo ireo zava-mahadomelina ireo. Nokasaina ha­paritaka eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Raha tsiahivina, anisan’ny mitarika ny tanora hanaotao foana ny fandraisana sy fiankinandoha diso tafahoatra amin’itony karazan-drongony itony.

Tsiferana R.

Partager sur: